Fiarabe Freight Network

  • Home
  • Fiarabe Freight Network

Fiarabe Freight Network Organiser. Connecter. (fret conventionnel & conteneurisé).

📩 Collaboration : Inbox

Transporter. 📦

Spécialiste du transport routier de marchandises. 🇲🇬

Nous organisons le transport routier de fret à Madagascar— de A à Z, avec fiabilité et rigueur.

🔰 Ny kamiao nisy motera voalohany ? (Tantara kely)Tamin'ny fiandohan'ny taona 1890 tany, raha mbola ny fiaran-dalamby sy...
29/05/2025

🔰 Ny kamiao nisy motera voalohany ? (Tantara kely)

Tamin'ny fiandohan'ny taona 1890 tany, raha mbola ny fiaran-dalamby sy ireo karazana sarety taritina biby (traction animale) no fampiasa teo amin'ny tontolon'ny fitanteran'entana. Dia nisy Injeniera allemand anakiray, i Gottlieb Daimler, niketriketrika ny hamorona kamiao mandeha motera, izay hitany fa tena mety hanova sy hitondra zavatra tsara ho an'ny mpiara-belona aminy eo amin'ny tontolon'ny fitanterana.

Ny taona 1896, Tratrany ny tanjona, nivoaka ofisialy ny Daimler Lastwagen, kamiao voalohany nisy motera izy io, nandeha tamin'ny lasantsy ary natokana itondrana enta-mavesatra.

Nanova tanteraka ny fitanterana eran-tany izy io satria nanomboka teo, rehefa niroborobo izy io dia lasa haingana kokoa ny fifindramonina ara-barotra, mora kokoa ny fifandraisan'ny faritra, ary nivoatra be ny indostria, ny toekarena sns...

Maro ny sakana nahazo azy tamin'izany, betsaka no nivazizotra fa tsy hahasolo sarety izany izy io, hafa foana ny fiaran-dalamby sns... Amin'izao fotoana iainantsika izao 'nefa efa iarahatsika mahalala ny zava-misy.

📌 Inona no lesona mety azontsika tsoahina ao anatin'ity tantara ity ? Mety misy ve ?
-------------------------------------
Misaotra antsika hatrany 🙏
📚 Sources : Mertz.fr, XP LOG, TBC Assurances
-------------------------------------



🔰 Ny fiara sy ny tontolo iainana : ny Norme Euro 1 - Euro 2 - ... - Euro 6 ?Ny fenitra "Euro", izay hitantsika eny amin'...
20/05/2025

🔰 Ny fiara sy ny tontolo iainana : ny Norme Euro 1 - Euro 2 - ... - Euro 6 ?

Ny fenitra "Euro", izay hitantsika eny amin'ny fiara fitanterana izay ampiasaintsika eny, dia fitsipika eoropeanina iray izay mifantoka kokoa amin'ny fanajan'ny fiara ny tontolo iainana. Mametraka fetra hentitra izy io amin'ny loto izay avoakan'ny fiara toy ny ôksida azota (NOx) sy ireo poti-javatra madinika mandoto ny rivotra iainana.

Misy fikarohana sy fanatsarana hatrany ny fenitra, izay no mahatonga azy ireny miova hatrany: Euro 1, Euro 2 ary ny Euro 6d ny farany hatreto izay nanomboka niasa tamin'ny voalohan'ny volana Janoary 2021. Mihamahalana hatrany araky ny fivoaran'ny fenitra moa ny loto izay havoakan'ny fiara mifanaraka amin'izany.

Marina fa isika malagasy, misehatra amin'ny fitanterana hatreto, dia tsy mbola mandray loatra ho sarobidy ny vokatra hateraky ny loto izay havoakan'ny fiarantsika, misy ary isika mpampiasa ireo fiara hika farany manala mihitsy ireo singa fiarovana ny tontolo iainana izay misy ao amin'ireny fiarantsika ireny; ohatra : ny Adblue.
kanefa tsara lavitra ary tena mahasoa antsika mpisehatra sy ny mpiara-belona rehetra ny fananana rivotra madio kokoa.

Ahoana isika Mpitatitra Malagasy amin'izay ? Ahoana ny hahatonga ny fiarovana ny tontolo iainana ho lasa tena sarobidy amintsika mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny asa fitanterana izay misy antsika ?
...........................



🔰 Ny kamiao MAN sy ny tantaranyTamin'ny 1915 no nanomboka ny tantara raha nikaon-doha ny Orinasa anakiroa : ny Maschinen...
14/05/2025

🔰 Ny kamiao MAN sy ny tantarany

Tamin'ny 1915 no nanomboka ny tantara raha nikaon-doha ny Orinasa anakiroa : ny Maschinenfabrik Augsburg-Nürnberg AG (MAN), izay orinasa alimanina mpamolaka vy sy ny orinasa Saurer izay mpanamboatra fiara "suisse"; fa hanamboatra kamiao mafy sy azo antoka, entina miatrika ny Ady lehibe voalohany. Tratra moa ny tanjona tamin'izany ary nanomboka niasa tany an-toerana ny kamiao, izay mandeha lasantsy avokoa.

Ny taona 1920 no nanomboka nanao ny azy manokana amin'izay ny orinasa MAN, natombony tamin'ny fanamboarany ny motera diesel ho azy manokana izany. Ary 4 taona taty aoriana dia nivaoka ny kamiao MAN izay mandeha amin'ny motera Diesel à injection directe voalohany. Ny diesel à injection directe moa dia anisan'ny technolojia tena nahavariana tamin'izany.

Nitombo hatrany ny orinasa ary nanomboka nanao karazana fiara maro, tsy kamiao ihany fa bisy sy karazana motera indostrialy ihany koa. Nalaza ny MAN tamin'izany no izy niparitaka hoe mafy sady nampiadana ihany koa ny mpanjifa.

Anisan'ireo orinasa voa mafy tamin'ny Ady lehibe faharoa izy ity, ary tena niato mihitsy ny famokarana tamin'izany fa saingy hoe tafarina haingana ihany taty aoriana. Nivoaka ny MAN F8 tamin'ny taona 1951, nalaza tsara, ary lasa mariky ny fanarenana sy ny fampiroboroboan'ny toekarena mihitsy taorian'ny ady tany Alemaina.

Nandroso hatrany ny orinasa, ary tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-21, dia nanova rafitra tanteraka ny MAN, isan'izany ny fifantohana tanteraka amin'ny famokarana kamiao sy bisy fotsiny ihany. Ny taona 2011 moa dia novidian'ny vondrona Volkswagen ny Orinasa MAN.

Ny Marika MAN moa amin'izao dia tsy mitsahatra ny manohy ny fikarohana sy ny fanatsarana ny vokatra izay harosony amin'ny tontolon'ny asa fitanterana, ary anisan'ireo tena mirona makany amin'ny technolojia elektrika sy ireo voaporofo fa mitsitsy tontolo hiainana kokoa.

Maro isika Malagasy no mampiasa ny marika kamiao MAN, manao ahoana izy ireny amintsika ? Inona nontena hitiavantsika azy ? Inona kosa no hitantsika hoe lesoka raha ny fampiasana azy eto amintsika ? Inona ny karazana Kamiao MAN tena ankafizintsika ?...........................



🔰 La fatigue peut être lourde, mais la satisfaction du devoir accompli l'est encore plus...Courage sur la route !..........
29/04/2025

🔰 La fatigue peut être lourde, mais la satisfaction du devoir accompli l'est encore plus...

Courage sur la route !...........................
.


🔰 Chaque livraison réussie est une victoire. Continuez d'avancer avec fierté et assurance .................................
23/04/2025

🔰 Chaque livraison réussie est une victoire. Continuez d'avancer avec fierté et assurance ..............................
.

🔰 N'oubliez jamais que chaque livraison réussie est une contribution essentielle à notre société. Notre travail est exig...
18/04/2025

🔰 N'oubliez jamais que chaque livraison réussie est une contribution essentielle à notre société. Notre travail est exigeant, parfois ingrat mais au besoin vital. Prenons la route avec fierté et conscience de cette importance de notre mission; notre rigueur, notre vigilance et notre professionnalisme font la différence.

Ensemble, faisons honneur à ce métier essentiel. Bonne route à nous tous !...........................
.


🚩 Exploit ...
22/01/2025

🚩 Exploit ...

31/10/2024

⚓️Navires à quai et opérations⚓️
C1 | SPAR PAVO | SEAL | CIMENT MIXTE | 10/25/2024 | 11/7/2024
TG | AVISOA | AGL | PETROLIER | 10/27/2024 | 10/29/2024
QSE | IVS OKUDOGO | JET | CHARBON DE TERRE | 10/27/2024 | 11/1/2024
QSW | CHRISTOS K | PREMIUM LOGISTICS | CIMENT BB + RIZ | 10/24/2024 | 11/4/2024
B | BALTIC TRADER | MCCL | CABOTEUR | 10/29/2024 | A PREC.
B | BARGE EXPRESS | AGL | BARGE | 10/27/2024 | 10/31/2024
B | TS INDIAN OCEAN | MCCL | CONTENEUR | 10/19/2024 | A PREC.
AE | AFRICA MERCY | AGL | BATEAU HOPITAL | 2/1/2024 | 2/1/2026
AW | SERAYA | GMS | CABOTEUR | 9/6/2024 | A PREC.
RT| PETALOUDA | STURROCK | PETROLIER | 10/29/2024 | A PREC.
RT | TSARAVATSY | AGL | PETROLIER | 10/28/2024 | A PREC.

🚢Prévision long courrier🚢
10/30/24 12:00 | CMA CGM | CMA CGM NACALA | CONTENEUR
11/2/24 5:00 | AGL | HOEGH SEOUL | RORO
11/2/24 5:30 | STURROCK | ALFIOS | PETROLIER
11/2/24 7:00 | MSC | MSC SARYA III | CONTENEUR
11/3/24 2:00 | SSA | LASALLE | CONTENEUR
11/3/24 5:00 | AGL | ETERNAL ACE | RORO
11/4/24 5:00 | CMA CGM | STANLEY A | CONTENEUR
11/6/24 0:00 | CMA CGM | EF EMMA | CONTENEUR
11/6/24 21:30 | SSA | MERATUS JAYAKARTA | CONTENEUR
11/7/24 8:00 | LA SEAL | KOTA NEBULA | CONTENEUR
11/8/24 0:00 | LA SEAL | CLIPPER TRENT | EMB. CHROME
11/9/24 12:00 | LA SEAL | ATLANTIC KLIPPER | EMB. LITCHIS
11/9/24 18:00 | LA SEAL | KOTA NILAM | CONTENEUR
11/11/24 0:00 | CMA CGM | CMA CGM FUZHOU | CONTENEUR
11/11/24 10:00 | LA SEAL | KOTA JOHAN | CONTENEUR
11/13/24 21:30 | SSA | SC MONTREAL | CONTENEUR
11/16/24 0:00 | AUXIMAD | YI HUI XIN HAI | RIZ EN SACS
11/19/24 0:00 | CMA CGM | ST JOHN | CONTENEUR
11/20/24 0:00 | CELERO | BBC JADE | DIVERS
11/20/24 21:30 | SSA | MAERSK NILE | CONTENEUR
11/21/24 0:00 | AUXIMAD | MARITIME SUZANNE | HUILE ALIM.
11/25/24 0:00 | LA SEAL | YASA LOTYS | DEB. BLE
11/26/24 0:00 | CMA CGM | CELSIUS NEW ORLEANS | CONTENEUR
11/28/24 0:00 | AGL | AZALEA RISING | DIVERS
11/29/24 23:00 | LA SEAL | KOTA NASRAT | CONTENEUR

👮‍♂️Central Capitainerie

🈁 Renault Magnum (Tsiaro kely)Tamin'ny volana mey 1990 no naseho vahoaka voalohany ny Renault Magnum "Renault AE" no ten...
16/10/2024

🈁 Renault Magnum (Tsiaro kely)

Tamin'ny volana mey 1990 no naseho vahoaka voalohany ny Renault Magnum "Renault AE" no tena niantsoana azy tamin'izany. Ny Injeniera Marcello Gardini no namorona azy.

Tena nanaitra ny maro izy ity tamin'izany satria ny endriny fotsiny dia efa tena niavaka, ny "Cabine" indrindra indrindra. Voalohany teo amin'ny tantara tamin'izany no nahitàna "cabine" nalalaka, afaka nijoroana sy nandehanana tsara tao anatiny. Nalaza niadana ny mpamily nitondra azy tamin'izany. Noho io fiovana nohentiny io moa dia niezaka ny nanatsara ny azy sy naka-tahaka azy avokoa ny mpamorona fiara vaventy kamiao taty aoriana.

V8 500ch namboarin'ny Mack moa no maotera nalatsaka voalohany tao aminy. Ary tamin'izany, noho izy 500 ch io dia izy no kamiao "tracteur" natanjaka indrindra tao Europa.

34 taona ny Renault Magnum ankehitriny, maro ny zavatra niova sy nivoatra tao aminy. Maro dia maro isika Malagasy no mampiasa azy; tena anisan'ny Kamiao tsara endrika izy, indrindra rehefa tena voakarakara tsara.

Ho anareo izay efa nampiasa azy, ahoana ny fahitanareo ny Renault Magnum ? Ho anareo mpankafy azy, inona no tena hitanareo hoe tena tsara amin'izy ity ?

Mankasitraka sy Mirary ny soa rehetra ho antsika............................



🈁 Tesla Semi (Truck) Araky ny vaovao ofisialy nalaza faraparany teo moa ny hoe hiroso amin'ny tontolon'ny elektrika isik...
27/05/2024

🈁 Tesla Semi (Truck)

Araky ny vaovao ofisialy nalaza faraparany teo moa ny hoe hiroso amin'ny tontolon'ny elektrika isika malagasy, ary ny handrana amin'ity tetikasa ity dia ho hatao eto Antananarivo sy i Toamasina, 'zany hoe efa afaka miheritreritra 'zany isika hoe ho avy ny fotoana mety hiisy an'itony karazana kamiao vokarin'ny Orinasa Tesla itony eto amitsika.

Zato isan-jato elektrika izy ity (mandeha batery "chargeable" ohatran'ny finday fampiasantsika andavanandro), mandany eo amin'ny 1,25 kwh isaky ny kilometatra eo izy rehefa "chargé" ary raha izy feno iny ny bateriany, mahavita mandeha hatrany amin'ny manodidina ny 800 kilometatra izy. Matanjaka izy ity 'nefa maivana ary motera elektrika telo no manosika azy.

Araky ny hitantsika amin'ny sary dia eo ampivaony ny azy ny mpamily fa tsy sisiny ohatran'ny mahazatra antsika. Nolazaina fa mora vidy kokoa ny mikarakara azy noho ny kamiao diesel noho izy vitsy lavitra ny singa mila fikarakarana ao anatiny raha oharina amin'ity farany. Efa nanomboka tamin'ny taona 2023 moa no nanomboka namidy izy ity tany Amerika.

Hoy ny Orinasa Tesla hoe io Semi vokariny io no hoavin'ny kamiao. Ahoana ny hevitr'isika amin'izany ? Ahoana ny hevitrao mahakasika ny kamiao elektrika ? Mety afaka firy taona any vao mety hiisy eto Madagasikara ny kamiao tohy ity ? Sa hoe tena mbola nofy lavitra ny ity resaka elektrika ity ?..............................



🈁 Prenez soin de vos poids lourds et ils prendront soin de vous, en assurant des trajets en toute sécurité et une produc...
19/03/2024

🈁 Prenez soin de vos poids lourds et ils prendront soin de vous, en assurant des trajets en toute sécurité et une productivité maximale............................



🈁 Ny Mercedes-Benz Axor, (tantara kely) Tany amin'ny faraparan'ny taonjato faha roapolo (20), ankoatran'ny famokarana ny...
12/12/2023

🈁 Ny Mercedes-Benz Axor, (tantara kely)

Tany amin'ny faraparan'ny taonjato faha roapolo (20), ankoatran'ny famokarana ny kamiao "Unimog" (*), dia tsy namokatra ankoatran'ny karazana kamiao roa ny Orinasa Mercedes Benz: dia ny Mercedes-Benz Atego, izay kamiao natokana ho an'ny fizarazarana entana manerana ny ville "à faible tonnages" ; sy ny Mercedes-Benz Actros, izay natokana hitatitra ny enta-mavesatra sy ireo entana mila tanterina amin'ny toerana lavitra (courrier longue distance).

Nankavizin'ny mpanjifa ny Atego tamin'izany satria nahavita tsara izy amin'ny fitanteran'entana maivana tamin'ny ireo toerana mifanakaiky ( tsy mihoatra ny 100 km). Ary tohy izany koa ny Actros amin'ny fitanterana tamin'ireo toerana tena mifanalavitra (mihoatra ny 500 km). Ny olana 'nefa tamin' izany tsy dia naharisika mpanjifa mpitatitra loatra ny hividy Actros hitanterana ireo entana mavesatra amin'ny toerana mifanakaiky sy mifanakaikikaiky (latsaky ny 500 km) noho izy lafolafo vidy, ary na dia niezaka nanamboatra ny modely "Atego Lourd" (Atego mahazaka enta-mavesatra) ary ny orinasa dia tsy nahavaha olana izany noho ny antony hoe nalaza nalemy sy kely aina ity farany.

Teo no nanapa-kevitra ny hiketrika ary hanamboatra karazana kamiao vaovao ny orinasa, izay kamiao natao hahavita hameno ny banga teo anelanelan'ny Mercedes Atego sy ny Mercedes Actros : Kamiao mafy sady matanjaka mahazaka mavesatra, mitsitsy amin'ny fandiniana solika, ary mora vidy mba ho zakan'ireo noheritreretina hanjifa.

Teraka teo ny Mercedes-Benz Axor izay navoaka ofisialy ny taona 2001. Tena kamiao tsotra izy io tamin'izany satria mba hampa-mora vidy azy dia tsy dia nisy zavatra tena niavaka hoe noforonina manokana mba ho azy fa ny zavatra efa nisy teo no natambatambatra : Cabine an'ny Atego no natao teo aminy, ny chassis, an'ny Actros, ny motera natao tao aminy, motera izay fampiasa tamin'ny "bus" lehibe izay novokarin'ny Mercedes-Benz tamin'izany sns. Tena tsotra izy tamin'izany kanefa rehefa navoaka namidy dia tena nahomby ary tena nahafeno ireo fepetra notediavina (Kamiao mafy sady matanjaka mahazaka mavesatra, mitsitsy amin'ny fandiniana solika, ary mora vidy zakan'ireo noheritreretina hanjifa.)

Tamin'ny taona 2005 vao niova hendrika mitovy amin'ilay Axor hitantsika amin'izao ny hendriky ny Mercedes Axor.

Tamin'ny taona 2013, nanapa-kevitra ny tsy hamokatra "Mercedes-Benz Axor" intsony ny Orinasa foibe Mercedes-Benz ary nanolo azy ho karazana kamiao hafa dia ny "Mercedes-Benz Antos". Ireo Orinasa Mercedes tany amin'ny firenena hafa kosa, tohy ny tany Brésil sy tany Inde, dia mbola namokatra "Mercedes-Benz Axor" hatramin'ny taona 2016.

Betsaka isika Malagasy no mpampiasa ary mpankafy Axor noho izy tena mitsitsy solika raha oharina amin'ny hafa, tena natao hitsitsy mihitsy izy io.

Mankasitraka sy Mirary tontolo andro hahafinaritra ho antsika. .........................................
(*) Mercedes-Benz Unimog : Kamiao tout terrain vokarin'ny Orinasa Mercedes-Benz ...........................



Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiarabe Freight Network posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your business to be the top-listed Transport Service?

Share