04/03/2026
Ity ilay lazaiko foana hoe produits finis no mila aondrana fa tsy matières premières. Efa 5% no azonla amin’ny vokatra amin’ny taninla Mbola zara raha miteraka asa ho an’ny malagasy akory
Malahelo ny tena satria miendrika fanaovana varoboba ny harem-pirenena ny tsy firosoana amin’ny “Création de Valeur” (famoronana harena) eto Madagasikara.
⚠️Efa misy fitrandrahana “Graphite” marobe eto, fa ny vahiny no mahazo tombontsoa satria nahoana ? Tsy misy fanodinana izay miteraka famoronana harena eto.
✨Manana Graphite izay faran’ny tsara maneran-tany i Madagasikara, izay antsoina hoe “Superflake” satria lehibe sy madio kokoa ny “flocons”. Ary vinavinaina eo amin’ny 27 millions de Tonnes eo ny tahiry ananantsika (8% ny tahiry maneran-tany).
Akora stratejika izy io satria ny fiara mandeha amin’ny herinaratra iray dia mila Graphite 50 hatramin’ny 70kg.
❌Ny olana nefa dia “Grahite concentré” (matières premières) no aondratsika dia ny hafa no misitraka ny harena.
👉Toy izao ary ny fanazavana tsotsora :
Ny Graphite concentré no avadika ho➡️Graphite Purifié izay avadika ho➡️Graphite Sphérique izay avadika ho ➡️Matériaux d’anode (CSPG / AAM) ilay ilaina amin’ny batterie.
Raha manondrana 1 million T graphite concentré isika dia lasa ➡️950.000 T graphite purifié➡️427 500 T graphite sphérique ary ➡️444 600 T matériaux d’anode.
Fa kosa, raha vinavinaina ho 900 millions USD ny vidin’izany ankehitriny (graphite concentré) dia tonga ➡️2,85 Md$ raha graphite purifié ➡️2,99Md$ raha graphique sphérique ➡️4,44Md$ raha matériaux d’anode. Ny famoronana asa aterak’izany moa dia tombony fotsiny.
✅Raha atomboka amin’ny “Purification” izany ny asa fanodinana eto Madagasikara dia efa mitombo avo 3 heny ny harena vokarina eto.
Mirary soa🇲🇬
Rija