09/09/2025
🟥🟥 FLASH INFO 🟥🟥
𝐓𝐀𝐗𝐈 𝐌𝐎𝐓𝐎: 𝗧𝗔𝗙𝗜𝗗𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗛𝗢 𝗙𝗜𝗧𝗔𝗧𝗘𝗥𝗔𝗠-𝗕𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔
Namoaka fanambarana ny avy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Ranivohitra fa tafiditra ho fitateram-bahoaka ankehitriny ny Taxi Moto, izy io izay voalaza fa manampy betsaka ny mponina amin'ny fifamezivezena eto an-drenovohitra
Tanjona apetraky ny kaominina ny hampiditra ny taxi moto ho ara-dalàna sy voalamina, fiarovana ireo mpanjifa sy mpamily., manomana toerana mazava sy voatokana ho an’ny taxi moto mba tsy hisy fanelingelenana eny amin’ny arabe sy ny sisin-dalana, miara-mandinika ny amin’ny fomba handrosoana @ fandaminana.
Rahampitso no hatao ny fivoriana voalohany miaraka amin’ireo chef de piste.