07/11/2025
‼️Salama hariva daholo,‼️
Noho ny anaran’ny pejintsika sy tatitra diso nataon’olona sasany dia nampiato vetivety ny Facebook izahay. Efa mandray andraikitra izahay amin’izao fotoana izao mba hanao fitarainana sy hahazoana mamerina azy haingana.
Na izany aza, mbola miasa ara-dalàna tanteraka ny site👉 www.soaci.mg, ary mbola mandeha ara-potoana ny fandefasana entana amin’ny envoi aérien sy maritime isaky ny zoma.
Afaka mifandray aminay ihany koa amin’ny:
Efa namorona pejy Facebook vaovao izahay: Soaci.mg
📞 WhatsApp: 038 67 97 417
📧 Email: [email protected]
Manomboka tamin’ny 20 Oktobra izahay no nanomboka niasa, ka mbola misy zavatra tsy lavorary. Handray an-tanana izahay hanatsara izany amin’ny fanehoan-kevitra sy soso-kevitra avy aminareo rehetra.
Raha misy olona manely vaovao tsy marina momba anay, dia angatahina izahay mba hanaporofo izany amin’ny porofo mazava. Raha mitohy ny fanalam-baraka dia horaisina andraikitra ara-dalàna.
Misaotra anareo rehetra amin’ny fahatakarana sy fanohanana.
– Ekipa SOACI