08/05/2026
Salama daholo! Marina fa mahafinaritra eto Pays-Bas, fa misy ihany koa ireo zavatra kelikely maha samihafa (tsy voatery hoe tsara) an'i Pays-Bas :
🛑 Ny fivarotan-tena: Indrisy fa ara-dalàna tsara ny fivarotan-tena eto Pays-Bas, ary asa ara-dalàna toy ny rehetra ihany izy io. Alohan'ny hitsara olona aloha za dia notsidika musée ao Amsterdam, miresaka momba an'io asa io ary hoe fa nahoana misy olona misafisy hanao an'io asa io. "Red Light District" ny anaran'ilay toerana tena feno an'izy io, ary rehefa mahita trano ianao ka misy jiro mena dia efa izy izay! Misy vehivavy maromaro mitsangana avy ao anatiny eo amin'ilay fitaratra ary miezaka manintona client. (Alefako ao amin'ny commentaire ny sary) Manondindina an'ilay quartier koa anefa dia feno magasin mivarotra zavatra "sexuel" na misy an'ilay cinéma fijerevana zavatra mamoafady ireny. Culture an'ny Pays-Bas izy io ary efa depuis taona 2000 dia efa ara-dalàna tsara. Ny zavatra tsikarotro dia toa misy fiangonana foana eo akaikin'ilay izy. Mety misy dikany izay fa tsy aiko manokana. Tamin'izao nitsidika an'ilay musée dia any amin'ny farany alohan'ny hivoahana an'ilay musée, misy trano kely, ary misy mompera na pasitera, toy ny hoe rehefa vita izay natao dia afaka mibebaka, afaka miresaka amin'ilay mompera na pasitera tsara. Tena mahavariana ilay izy, mety hoe mamoafady amintsika ao Madagasikara, fa amin'zareo ilay izy tena normal.
🛑 Ny rongony: satria moa izany tsy maha voasazy intsony ny mifoka môly eto Pays-Bas dia feno fofona manerana an'i Amsterdam sy ilay ville ngeza ireny. Misy fitsipika sy fetrany ihany ilay izy hoe zao grama na zao grama (5 grama isaky ny olona iray) , ary TSY ARA-DALÀNA TANTERAKA ilay izy fa tsy maha voasazy fotsiny raha tsy mihoatra an'ilay fetrany maha tsy voasazy anao. Ny cannabis médical, izay ampiasaina amin'ny fanafody no ara-dalàna manomboka 2003. Mampalahelo ilay izy satria na dia ankizy kely mandendeha eny an-dàlana eny izany dia lasa mifoka ho azy an'ilay fofona. Indraindray dia tena mankarary an-doha mihitsy!
Misy magasin natokana ho an'ilay izy mihitsy atao hoe "coffeeshop" (magasin de café), tsy misy idiran'ny café anefa ilay izy ka raha aty Pays-Bas ianao ka misy miteny hoe "ndao hitsidika coffeeshop" dia tandremo izay! 😅 Na koa ianao vao tonga eto Pays-Bas dia hoe ndao hisotrosotro café kely dia mahita coffeeshop dia miditra fa tonga dia môly no hitanao ao! 😅
Mandeha amin'ny karazany mihitsy ilay izy, misy cannabis ilay raviny fotsiny dia fohana, misy bonbon, gâteau, muffin dia misy cannabis ao anatiny. Araky ny nolazaiko hoe misy fetrany ilay izy ary mila mitandrina tsara mampiasa an'io ary tsy maintsy "coffee shops" ara-dalàna ihany are manana permis ihany koa no afaka mivarotra an'ireo!
Alefako ao amin'ny commentaire ihany koa ny sarin'ilay "coffeeshop".
Raha ny fahazoako azy, dia Pays-Bas firenena "pragmatique", natao ara-dalàna ny fivarotan-tena mba hiarovana ny mpiasa (mpivaron-tena), ary hiadivana ny "trafficking" (fanondranana an-tsokosoko). Ary nenkena ny fivarotana rongony (any amin'ny coffeeshops) mba hanafoanana tanteraka ny asan-jiolahy amin'ny famatsiana ny "coffeeshops" . Araka ny tatitra farany tamin'ny Aprily 2026 teo, dia heverina ho fahombiazana izany satria mihena ny asan-jiolahy mifandray amin'ny famokarana rongony any amin'ireo faritra ireo.
Bref, izao fotsiny, aza mora voatarika! Tandremo dia tandremo!